Finoana

Hetsika Jesosy manasitrana Hitory filazantsara amina sahirana 100 tapitrisa maneran-tany


  • Alakamisy 25 Mey 2023

Ny 5 hatramin’ny 9 jona 2023 izao no ho tontosaina eo amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny hetsika na «croisade» mitondra ny lohateny hoe «Jesosy manasitrana».

Fiangonana sy antokom-pinoana maro no hifarimbona hahafahana manatontosa izany, raha ny fanazavan’ireo mpikarakara azy ity tetsy amin’ny Roxy Antaninarenina omaly. Eny fa na ireo fiangonana mbola tsy niara-niasa mihitsy hatramin’izay aza dia sambany hiara-kiasa amin’io fotoana io satria tanjona voalohany ny famonjena ny fanahin’ny olon-drehetra. Hampiavaka ny hetsika ny fisian’ny kaonferansa ho tontosaina ny 6 hatramin’ny 8 jona ka hitondra ny anjara birikiny amin’izany ny evanjelista Dr Dag Heward-Mills, izay sady mpitsabo no eveka avy amin’ny vondrom-piangonana Lighthouse na UDOLGC ary nanitatra ny asa fanompoana amina tambazotram-piangonana mihoatran’ny 3000 isa manerana izao tontolo izao. Efa nanoratra boky maro izy ary miisa 100 ireo be mpividy indrindra ka manodidina ny 40 tapitrisa no isan’ireo boky voatonta amina dikateny miisa 45. Tanjona ihany koa ny hitory filazantsara amina olona sahirana 100 tapitrisa maneran-tany, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT