Finoana

Hetsika Jesosy manasitrana Hanova ny fiainan’Antananarivo, hoy ny mpikarakara


  • Talata 06 Jona 2023

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly teny amin’ny kianjan’i Maki Andohatapenaka, haharitra 5 andro ilay hetsika Jesosy Manasitrana, karakarain’ny Fiangonan’ny Finoana sy ireo fiangonana zandriny maro isan-tsokajiny.

Fahombiazana sahady ny andro voalohany omaly noho ny hamaroan’ireo olona tonga teny an-toerana. Tena mila famonjena ny Malagasy. Betsaka ireo marary efa lany vola mitsabo tena nefa tsy mahita fanasitranana. Betsaka koa ireo lanin’ny adin-tsaina sy valaky ny fitadiavana nefa tsy mahita magirana eo amin’ny fiainana… Saika tazana teny an-toerana avokoa ny ankamaroan’izy ireny omaly no sady nivavaka tamin’ny fony nanatona an’Andriamanitra. Nambaran’ny pastera Aintsoa Razafimandranto nandritra ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety fa tena hanova ny fiainan’Antananarivo sy ny olona isam-baravarana ity hetsika ity, indrindra fa ho an’ireo tena mino. Nanafatra kosa ireo mpanompon’Andriamanitra tonga teny an-toerana fa tena misy lanjany eo amin’ny fiainana ny toerana aleha sy ny olona hifanenana noho izany tsy tokony hatao antsirambina toy ny fihaonana tamin’ireo olon’ny fahasoavana marobe omaly tonga teny an-toerana. Nanomboka tamin’ny 03 ora folakandro ny fotoana raha tamin’ny 04 ora hariva kosa no tonga tao an-toerana ny Evanjelistra Dag Heward- Mills izay nizara ary mbola hizara ireo karazana fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra azy toy ny fanasitranana ny marary….
Pati
Legende : Nahavory olona maro tahaka izao teny amin’ny kianjan’i Maki Andohatapenakma omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT