Finoana

Hetsika Hiseho masoandro ny HMF


  • Alakamisy 28 Oktobra 2010

«Tsy ho rava na hangina na koa hoe ‘hosoloina’ ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF), na dia teo aza ny lalan-tsarotra nodiaviny. Miasa hatrany, mivavaka tsy tapaka ho an’ny firenena sy ny mpiray tanindrazana ary ny Fiangonana sady miombom-po amam-panahy amin’izay mikatsaka ny marina sy ny hitoeran’ny Fahamarinana eto Madagasikara fa ‘ny Fahamarinana manandratra ny firenena’», hoy ny fanazavan’ny HMF.

Notsiahivin’ireo mpandrindra ny HMF fa fiaraha-mientan’ireo Mpitondra Fivavahana mahatsiaro fa ny fiantsoan’Andriamanitra azy ireo sy ny toriteniny dia andraikitra eo anivon’ny mpiara-belona aminy. Manoloana izany indrindra dia mahatsiaro ny HMF fa tsy mamela azy ireo hangina ny tsy rariny sy ny tsindry hazo lena mihatra amin’ireo mpiray tanindrazana aminy. Nilaza anefa moa ireto Raiamandreny am-panahy ireto fa tsy mampiasa na hampiasa ny maha Mpitondra fivavahana azy ireo hikatsahana tombontsoa manokana fa ampiasain’Andriamanitra kosa izy ireo hitsinjovana ny mpiara-belona, araka ny fanazavana ihany.

«Sahinay ny milaza fa ny Fanahin’i Kristy no manery anay, ka tsy hahazoanay mangina na hipetraka hitazam-potsiny manoloana ny loza mihatra amin’ny mpiray tanindrazana aminay na dia maniry mba ho «mpitazana» sy ho «betsimiteny» tahaka ny maro aza izahay, manoloana ny zava-tsarotra sy ny fanenjehana naterak’izany fandraisan’andraikitra izany. Andraikitra nomen’Andriamanitra ny mpanompony rehetra ny hijoro amin’ny Fahamarinana sy ny hampianatra ny olona hanao izany. Tsy izahay anefa no mpamaritra ny Fahamarinana fa ny Tenin’Andriamanitra izay tsy azo lavina no fototry ny fahamarinana rehetra», hoy ihany ny HMF izay niaiky fa lavitr’ezaka ny hisian’ny fahamarinana sy ny hanjakan’izany manoloana ny finiavana hanitsakitsaka ny marina sy ny heverina fa fahamarinan’ny mahery. Ho an’ireto raimandreny am-panahy ireto anefa dia tsy antony hialana amin’ny Fahamarinana sy ny ezaka hampanjakana izany. Fantatra moa araka ny vaovao ihany fa dia hihaona tsy ho ela amin’ireo mpino, hiara-hisaotra ny Tompo ireo mpandrindra ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana. Ao anatin’izany fihaonana izany no hitondrana am-bavaka ny firenena. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT