Finoana

Hetsika HFKF “Misy fanairana tokony hojeren’ny Kristianina


  • Alatsinainy 14 Desambra 2020

Nifarana ny sabotsy teo ny hetsika Harambaton-kevitra ho an’ny faha 60 taona

”

 

izay karakarain’ny HFKF na Hetsika fampiraisana Kristianina ho an’ny firenena tetsy amin’ny Arrupe Faravohitra. Ny teknolojia vaovao moa no lohahevitra faha 10 nodinihina sy nangonina namaranana izany. Niompanana ny andraikitry ny fiangonana, hoy ny tomponandraikitry ny serasera, Mirana Clara, ny Kristianina, ny raiamandreny tsirairay manoloana ny tekinolojia. Mizotra io mankany amin’ny hoe inona no toeran’i Madagasikara ao anatin’ny 40 taona hoavy. Manam-pahaizana miisa 4 no namelabelatra izany. Hisy ny famoahana ny fanangonan-kevitra amin’ny fomba ofisialy ary raha misy mpitondra fanjakana liana ihany koa dia izarana izany saingy ny fiangonana no tena sarihana voalohany. Tsy ampy ny fandraisan’anjaran’ny fiangonana tao anatin’ny 60 taona na dia nanao aza izy. Isany ohatra ny resaka kolikoly. Ny fiangonana no natao ho mpitaiza nefa ireo mitonona ho Kristianina no tena heno ho manao izany raha mijery ny tatitry ny Bianco. Ny resaka fianakaviana koa ohatra dia Kristianina no manana salan’isa ambony indrindra eo amin’ny fisaraham-panambadiana. Misy andraikitra, noho izany, mbola tokony tohizan’ny fiangonana fa misy fanairana tokony hojeren’ny Kristianina koa, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

Legende: Tetsy amin’ny Arrupe Faravohitra ny sabotsy lasa teo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT