Finoana

Hetsika fanavotam-pirenena Hiova paika ny HMF


  • Talata 02 Novambra 2010

Telo volana teo ho eo izao no tsy dia nandrenesana ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, tsy nahitana ireo raiamandreny ara-pivavahana teny an-kalamanjana.

Omaly alatsinainy 01 novambra dia niseho vahoaka izy ireo tamin’ny alalana fotoam-bavaka lehibe sady niavaka tao Antsahamanitra. Ny 2 tamin’izy 8 mpitondra fivavahana mpitarika ny hetsika no tsy teny an-toerana noho ny anton’asa pastoraly. Araka ny fanazavana aza dia tsy 8 intsony izy ireo fa nitombo ho 11 noho ny fiaraha-miasa. Fotoana manokana ny omaly, ary vavaka niavaka ihany koa satria dia nandohalika ireo mpino rehetra nisaotra sy nangataka tamin’Ilay Mpahary. Ny mpitandrina Radimison Jonah no nitondra ny hafatr’Andriamanitra.

Tamin’izany no namoaboasany sy nanentanany ny Malagasy hampiasa, hiaina ny Finoana nomen’Andriamanitra. Ny fiainana izany finoana izany, hoy izy dia mitarika ny rehetra hiaina ny Fahamarinan’Andriamanitra, mijoro mandà ny asan’ny maizina rehetra. Ny fampiasana ny finoana dia endriky ny fahatokiana an’Andriamanitra, araka ny fanazavana ihany. “Aza avela ho faty ny fanantenana, maty ny finoana raha tsy misy asa. Tsy maintsy mandresy rehefa manam-pinoana”, hoy ihany ny pastera Radimison namaofy ny Lioka 17:1. Ny mpitandrina Randriamisata Roger kosa no namaky ny hafatra ho an’ny vahoakan’Andriamanitra. “Sahinay ny milaza fa ny Fanahin’i Kristy no manery anay, ka tsy hahazoanay mangina na hipetraka hitazam-potsiny manoloana ny loza mihatra amin’ny mpiray tanindrazana aminay na dia maniry ho ‘mpitazana’ sy ho ‘betsimiteny’ tahaka ny maro aza izahay, manoloana ny zava-tsarotra sy ny fanenjehana naterak’izany fandraisan’andraikitra izany. Tsorina fa mihatra aman’aina ny vokatry ny fijoroana ho vavolombelon’ny fahamarinana, ary tena tsapanay tokoa ny fahamarinan’Andriamanitra. Raha saina avy amin’olona ihany tokoa izany dia efa ela no foana fa tena asan’Andriamanitra eto amin’ny firenena izao ka tsy azontsika foanana velively”, hoy izy.

Matokia ny valim-bavaka ka ataovy ho toy ny efa nahazo izany sahady isika, manana finoana, hoy ihany izy. Fantatra fa miandry ny rariny isika nefa aoka hahatsiaro tena ihany koa ka hivavaka andro aman’alina fa tsy hanao ariary zato am-pandriana, hoy ity raiamandreny am-panahy. “Fantatra fa tena faniriantsika ny hiaina amin’ny fahamarinana sy ny fahafahana marina eto amin’ny tanintsika. Efa niala nenina isika mba hahatrarana izany tanjona izany ary sitrak’Andriamanitra izany fa fahafahana no niantsoana antsika. Tsy miandrandra olona hanome izany ho antsika fa miandry an’i Jehovah ka mivavaka mafy sady manantena”, hoy ihany Randriamisata Roger, mpitandrina. Vanim-potoana hisainantsika tsara ny zava-misy izao ka tsy hibatan’ny fo sy ny fitiavan-tena na ny voninahitra antsika fa ‘hisaina lalina’ ny amin’izay tena olan’ny firenena, hoy ihany izy nanamafy, ka hiara-kijoro ao anatin’ny fihavanana sy ny firaisam-po mba hahery amin’ny asa fa tsy mahery amin’ny teny fotsiny. Fantatra àry fa tsy ho ela dia hisy hetsika indray, tsy fotoam-bavaka ihany koa no hataon’ny HMF fa hanome tosika ny eo anivon’ny diplaomasia ireto raiamandreny ara-panahy, hanome ny heviny. Hanova paika araka izany ny HMF. “Hatramin’izay manko dia ny an’ireo ankolafy ihany no ren’ireo vahiny fa hanome ny fahitanay ny toe-draharaham-pirenena koa izahay”, hoy ny pastera Randriamisata Roger.

 
Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT