HETSIKA FAMPIRAISANA NY

KRISTIANA HO AN'NY FIRENENA


  • Alarobia 15 Oktobra 2025

Tsy reraka manolotra vahaolana ho an'ny Firenena

Tsy reraka manolotra vahaolana ho an'ny Firenentsika ny Hetsika Fampiraisana ny Kristiana ho an'ny Firenena na ny HFKF. Nifanindry an-dalana indrindra tamin'ny datin'ny omaly Talata 14 Oktobra izany izay nanamarihana ny faha-67 taona niverenan'ny fiandrianampirenentsika izay noesorina tamintsika tamin'ny taona 1896 ka nahalasa an'i Madagasikara ho zanatany Frantsay.Maro ny zavatra nifamahofaho nandritra izany 67 taona niverenan'ny Fiandrianam-pirenena izany raha araka ny fanazavan'ny HFKF tamin'ny mpanao gazety omaly. Tao ny tsara, tao ny ratsy, tao ny nampahory raha nisy koa ny mety nahafaly. Ho an'ny HFKF manokana dia anisan'ny antony nanosika azy tsy ho mpitazam-potsiny ny raharaham-pirenena intsony izany tao anatin'ny 05 taona nijoroany. Izany rahateo no niantsoan'i Tompo azy mba hitondra vahaolana ho an'ny Firenena mandrakariva ka tsy ho reraka. Hitohy amin'ny fanatanterahana ilay Fikaonandoham-pirenena Kristiana ny hetsika na ny FPK ny datin'ny 20,21,22 ary ny 23 Novambra ho avy izao izay mifanandrify indrindra amin'ny fankalazana ny faha-190 taonan'ny Baiboly Malagasy. Hanasana ny Kristiana rehetra ny hetsika hahafahana mamoaka hevitra hanavotana ny Firenena. Tsiahivina moa fa tao anatin'izay 4taona izay dia efa nisy ny fanolorana ilay Harambaton-kevitra, maro tohanan'ny maro nataon'ny HFKF. Karazana antontan-kevitra natolotra ireo manam-pahefana mahefa sy mpanapaka eto amin'ny tany sy ny fanjakana izy io ho fitadiavam-bahaolana ho an'ny Firenena. Tsiahivina moa fa efa manana vahaolana maharitra momba ny herinaratra sy ny rano eto amintsika ihany koa ny HFKF amin'ny alalan'ny Profesora Solofo Jonis. Anisan'ny olana fototry ny Malagasy isanisany mantsy io. Nitohy tamin'ny fidinan'izy ireo narahina fandraisam-pitenenana teny amin'ny kianjan'ny 13 May ny hetsika omaly.
Pati
Légende : Nandritra ny tafa nokarakarain'izy ireo ho an'ny mpanao gazety !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT