Finoana

Hetsika Fampiraisana Kristianina ho an’ny Firenena Hanova ireo tsy nety teto amin’ny firenena


  • Talata 08 Mey 2018

Ny 52 %-n’ny Malagasy no fantatra manerana ny Nosy fa kristianina. Ny olana anefa hatreto dia betsaka amin’ireo fiainana hita eny anivon’ny fiarahamonina no tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra, hoy ny Hetsika Fampiraisana Kristianina ho an’ny Firenena (HFKF), omaly.

Porofon’izany, hoy i Geneviève Ramakavelo  ny  fitombon’ny tahan’ny fisaraham-panambadiana eto amintsika. Manodidina ny fito isan’andro eo ireo taratasy fangatahana mba hisaraka tonga etsy amin’ny tribonaly Anosy. Tsy mifanaja intsony ny ray aman-dreny sy ny zanaka, samy maka ho azy ny ao an-tokantrano. Eo amin’ny sehatry ny fanabeazana indray dia nambaran’ny solontenan’izy ireo fa tsy mipetraka intsony ilay hoe : ny fahatahorana an’Andriamanitra no fiandoham-pahendrena, antony mamotika ny firenentsika tahaka izao. Mbola zavatra ratsy ihany koa no tena miparitaka eo amin’ny sehatry ny serasera izay mora mahasarika olona maro tokoa. Anisan’ireny ny dihy mampiseho ireo faritra mamoafady izay tena be mpankafy tokoa amin’ny fahitalavitra. Ampahany ihany ireo nambaran’ny HFKF ireo omaly nandritra ny fampahafantarana ny fijoroan’ny fikambanana fa mbola betsaka ireo olana mampahantra ny firenentsika tahaka izao. Hamondrona ny kristianina rehetra manerana ny nosy izy ireo ka ny tanjony dia ny hitaiza, hanentana ary hanampy ny kristianina eo amin’ny sehatry ny fiarahamonina hahatonga azy ireny ho fanasina sy haneho ny fahatsaran’Andriamanitra. Nomarihin’ny HFKF moa fa tsy mahantra i Madagasikara fa ny fampiasana ny harena sy ny famotehana ny tontolo iainana no tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra. Marihina fa nanangana vinan`asa na tendrombohitra miisa fito izy ireo hahafahana miroso amin’ny fanatsarana ny fiainam-pirenena.


Pati sy Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT