Finoana

Hetsika ara-panatanjahantena AFIFAB Raikitra ny fiadiana ny “Amboaran’ny filohan’ny FJKM”


  • Alatsinainy 04 Novambra 2019

Eny amin’ny kianjan’ny sekoly Paul Minault Androhibe, nanomboka tamin’ny sabotsy 02 novambra 2019 teo ka tsy hifarana raha tsy amin’ny faha-20 novambra ho avy izao, no hanatontosana ny hetsika ara-panatanjahantena

 

 AFIFAB “Asa Fifandraisana sy Fahampalalam-baovao”  hiadiana ny “Amboaran’ny filohan’ny FJKM” dia ny  mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi. Taranja 4 no hifaninanan’ireo zanaky ny fiangonana manodidina an’Antananarivo ka ao amin’ny taranja baolina kitra dia misy ekipa 21 mandray anjara, taranja basikety baolina  ahitana ekipa 14, taranja volley-ball misy ekipa 5 mandray anjara ary eo amin’ny taranja tsipy kanetibe olon-telo miaraka dia misy ekipa 16. Ity taranja farany sy ny volley-ball no ekipa “mixte” fa ny basikety sy baolina kitra dia natokana ho an’ny lehilahy irery  ihany.  Isaky ny sabotsy hatrany no hanatontosana an’ity hetsika ity eny Androhibe. Marihana fa tamin’ny sabotsy 26 oktobra lasa teo no nanokafana ofisialy an’ity hetsika ity tamin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana natao teny amin’ny FJKM Atsimon’i Mahamasina.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT