Finoana

Hery Rajaonarimampianina Manambitamby ny Katolika ?


  • Alatsinainy 30 Jona 2014

Nihaona tamin’ny Papa Ray Masina François tany Vatican ny sabotsy lasa teo, araka ny fanasana azony ny filoha Hery Rajaonarimampianina nombam-bady aman-janaka.....

Nifampiresahan’ny roa tonta araka ny fampitam-baovao voaray ny zava-misy amin’ny ankapobeny eto Madagasikara, ny fiverenana amin’ny tany tan-dalàna, ny anjara birikin’ny Fiangonana amin’ny fampihavanana sy ny fametrahana fitoniana eto amin’ny firenena. Nilaza ny ho resy lahatra amin’ny politikam-pampandrosoana tarihan’ny filoha Malagasy ny Papa François ary nanamafy fa zava-dehibe ny fifankatiavana sy ny fampihavanana. Ny filoha Hery Rajaonarimampianina kosa dia nanambara fa tena manan-danja ity fihaonana tany Roma ity satria tsy hoe lehibe mitarika ny Eglizy Katolika Romana fotsiny ny Papa Ray Masina fa filohan’ny firenen’i Vatican ihany koa. Nahafahana nanazava tamin’ny Papa Ray Masina ny zava-misy eto Madagasikara sy ny ezaka ataon’ny Malagasy amin’ny fampandrosoana ny fireneny ao anatin’ny filaminana ity fihaonana ity, hoy ny filoha. Nihaona tamin’ny sekreteram-panjakana ao Vatican Pietro Parolin i Hery Rajaonarimampianina ary nilaza tamin’ny mpanao gazety vahiny nitafa taminy fa nanasa ny Papa Ray Masina François mba ho avy hitsidika an’i Madagasikara izy. Miandrandra mafy izany ny Malagsy, hoy izy, indrindra fa ireo mpino Katolika. Nanatrika ny lamesa lehibe tao amin’ny Basilique de Saint Pierre omaly alahady ny filoha sy ny fianakaviany ary ny delegasiona notarihany. Nandritra io fotoan-dehibe io no naha voahosotra ho amin’ny fomba ofisialy ny Mgr Benjamin Ramaroson ho Arsevekan’Antsiranana, Izy izany izao ny Arseveka fahadimy eto Madagasikara. Ny sabotsy lasa teo dia tsy adinon’ny filoham-pirenena ihany koa ny nihaona tamin’ireo teratany Malagasy monina any Roma-Italia. Azo antoka fa tsy tongatonga ho azy ity dian’i Hery Rajaonarimampianina tany Vatican ity fa misy antony maro, anisan’izany ny karazana pi-maso ataon’atoa filoha amin’ny mpino Katolika izay manana ny maha izy azy eto Madagasikara, ary manana ny olony ao anatin’ny rafi-panjakana sy ny fitantanana ny firenena ihany koa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT