Finoana

Herisetra sy fifamonoana Nampaneno lakolosy ny FFKM


  • Zoma 25 Septambra 2015

Manameloka ny herisetra sy ny fifamonoan’ny samy Malagasy mateti-piseho tato ho ato izay ny FFKM ka namoaka fanambarana ofisialy omaly. Iaraha-mahita sy re fa efa sahy miroso amin’ny fifamonoana ny Malagasy, hoy ny FFKM,

 

   ohatra amin’izany ny fifamonoan’ny dahalo sy ny mpitandro ny filaminana tany Ankazoabo, ny zava-niseho tany Ankiliabo. Nosokajian’ny FFKM ho herisetra ihany koa ny nitranga teny amin’ny oniversiten’Ankatso tamin’ny fisamborana mpianatra. Mahonena sy mampalahelo izany koa manao antso avo amin’ny rehetra noho izany ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara mba hiheverana izay hifanomezana zo ka hifampihainoana eo amin’ny tsy fitovian-kevitra ary hanaja ny aina araka izay manandrify ny andraikitra raisin’ny tsirairay avy. Mampahatsiahy ny FFKM fa an’Andriamanitra ny aina ka tsy hananan’olombelona fahefana. Izay indray vao re feo ny FFKM hatramin’ny nivoahan’ilay fehin-kevitra momba ny fampihavanam-pirenena teny Ivato izay tsy hita izay tohiny ankehitriny. Manaitra ny sain’ny rehetra eto ny Fiangonana fa efa diso tafahoatra ny firongatry ny herisetra ary manomboka lasa efa kolontsaina mihitsy ilay fifandatsahan-dra sy fifamonoana koa raha tsy voafehy dia mety ho ratsy ihany ny ho tohin’ny tantara eto. Tsy ny dahalo ihany moa no nokianin’ny FFKM tamin’ity fanambarana ity fa na ireo mpitandro ny filaminana nisambotra mpianatra teny Ankatso koa aza.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT