Finoana

Herinandro Masina Fotoana natokana hibebahana


  • Alarobia 28 Martsa 2018

Fotoana iray tena manan-danja eo amin’ny fiainan’ny Kristianina ny fetin’ny Paska tahaka izao izay hialohavan’ny herinandro masina. Eo mantsy raha araka ny fanazavan’ny loholona Liva Andriambelo,

 
tompon’andraikitra eo anivon’ny fiangonana Fjkm  Tranovato Ambatonakanga no fotoana natokana hibebahana  sady hahatsiarovana ny famonjena nataon’i Jesoa Kristy izay nanolotra ny ainy ho avotra ho an’ny olona ao anatin’ny fahotana. Eo amin’ny sehatry ny fiangonana sy ny maha olona dia fotoana iray ho an’ny mpino rehetra hiainana  anaty fivavahana amin’Andriamanitra tokana sady marina ny fotoanan’ny herinandro masina tahaka izao ka tsy tokony hatao ambanin-javatra. Ho an’ity fiangonana ity manokana dia efa nanomboka ny alatsinainy hariva teo tamin’ny 6 ora sy fahefany ny herinandro masina. Hitohy hatramin’ny zoma alina izao izay hanaovan’izy ireo alim-bavaka mihitsy ho fahatsiarovana manokana an-dRasalama, fotoana izay tokony hotanterahina ny 13 aogositra ho avy izao. Hanasana ny rehetra io alim-bavaka io.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT