Finoana

Herinandro Lasalianina Niavaka ny tany Ambatondrazaka


  • Talata 16 Mey 2017

Andro miavaka ho an’ny fianakaviam-be lasalianina ny datin’ny 15 mey izay vaninandro nametrahan’ny Papa Pie XXII ho Ray mpiaro ny mpanabe ny Frera Jean Baptiste dela salle. Hetsika tsotra anefa miavaka no nanamarihana izany tao amin’ny Lisea Saint Josefa Ambatondrazaka

 

.Nosantarina tamin’ny Diabe nanodidina ny tanàna Ambatondrazaka ny hetsika ny zoma lasa teo. Nitohy tamin’ny hetsika ara-panatanjahantena sy kolotoraly izany ny sabotsy sy ny alahady ary namaranana ny hetsika ny lamesa lehibe notarihan’ny Pretra miandraikitra ny fanabeazana katolika (DIDEC) ny Mopera Eric.Nambara ny Mompera Eric fa mila manana fanetren-tena toy ny nataon’ ny Frera Jean Baptiste dela Salle  isika mba hampilamina ny fiarahamonintsika.Sarotra hoy izy ny asa fanabeazana kanefa rehefa manana fitiavana dia hisosa tsara izany.Nomarihany fa mila mahay mandanjalanja tsara ny tanora mba ho mendrika ny fanabeazana Lasalianina. Manodidina 1080 ankehitriny ny ankizy beazina ao amin’ny Lisea Saint Joseph Ambatondrazaka izay sahanina Mpanabe sy mpandraharaha 58 ka relijiozy ny telo amin’ireo. Tao anatin’ny 63 taona niorenana ny sekoly dia efa betsaka ireo Pretra sy Frera nifandimby nitantana azy.

                                                                    Niry A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT