Finoana

Hentitra ny HMF sy ny Antoko Tia Tanindrazana « Mila fifamelana sy mangarahara isika »


  • Alarobia 15 Oktobra 2014

Tsy toy ireny fomba mamoafady sy mahamenatra nataon’ny mpitandro ny filaminana teny Faravohitra tamin’ny alatsinainy ireny no atao hoe fomba hiarovana ain’olona iray, indrindra raha filoham-pirenena no hiharany

hoy ny HMF na ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana izay nifoha tamin’ny torimasony indray notronin’ny antoko Tia Tanindrazana notarihan’ny filohany Razafinjoelina Tahiana sy ireo olon-tsotra omaly teny Antaninarenina. Olon-tsotra sy teknisianina isan-tsokajiny mahatsapa fa manana andraikitra manoloana izao fahoriana sy olana mahazo ny firenena izao fa tena sahirana tokoa ara-politika sy ekonomika ary ara-tsosialy ny firenena ankehitriny. Azo tanisaina amin’izany ny delestazy nampanantenaina ho foana anaty telo volana nefa aiza ? Ny grevy sy fitakiana etsy sy eroa, ny tsy fandriampahalemana sy fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena isan-tsokajiny. Tena sahirana ny firenena ka mila firaisankina sy fitoniana, hoy ny pasitera Randriamisata Roger, namintina izay rehetra izay. Fanapahan-kevitra politika iny fisamborana ny filoha Ravalomanana teny Faravohitra iny, hoy izy. Olona voafehin’ny sata mifehin’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara nefa tsy nasiana “mandate d’arrêt” akory ny fisamborana fa an-kerisetra narahina tifitra sy tsy misy  fanajana kely akory. Manoloana ny zava-misy dia mangataka ny fampiharana tsy misy fitongilanana ny fanapahan-kevitra rehetra izahay ireto ka rehefa atao ny fitsarana dia tokony handalo amin’izany daholo ny raharaha 26 janoary nahafatesana olona 72 sy nahasimbana fananam-bahoaka tsy hita-pesimpesenina, ny raharaha 7 febroary 2009 tahaka ny fahafatesan’olona sy fidirana amin’ny faritra mena sy fanafihana ny lapam-panjakana, ny fampiasan-kery tamin’ireo raiamandrenim-piangonana sy masoivoho vahiny tamin’ny 17 marts 2009. Tsy tokony hisy olona niray petsapetsa tamin’ireny vanim-potoana ireny afaka mijanona sy mivelona eto Madagasikara an-kahalalahana ka nahoana kosa ny sasany no tsy avela ? Tsy misy fampandrosoana azo eritreretina eto amintsika raha tsy misy ny fifamelana sy mangarahara, hoy ny Hmf sy ny antoko Tia Tanindrazana ka fotoanany izao hanaovana ny fampihavanam-pirenena marina ka takianay koa izany. Mbola takianay koa ny fialan’ny miaramila ao anatin’ny fanaovana politika, raha tsy izany avelao halalaka daholo ny rafi-panjakana rehetra. Foano ny fifandrangitana sy fifampihantsiana isan-karazany ary hatsaharo ny fanohizana ny zava-tsy nety natao tamin’ny tetezamita. Aoka izay ny herisetra sy fisambotsamborana olona fahatany sy famoronana dosie samihafa ary LAZAO AMIN NY VAHOAKA NY MARINA fa tsy ananan’ny vahoaka fitokisana ny mpitondra tsy milaza ny marina aminy. Toa voaporofo mantsy fa nisy tsy fahamarinana sy halatra ny fifidianana nahalany ny filoham-pirenena ankehitriny. Ny olona tsy lany tamin’ny ara-dalàna mantsy, hoy ny pasitera Randriamisata Roger, no mampiasa herisetra ka zary rava indray andro ny fanantenana efa nandrandraina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • LĂ©on XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT