Finoana

Hazakazaka hoan’ny Fanantenana Nanodidina ny 3000 ireo nandray anjara


  • Alakamisy 02 Mey 2019

Tontosa teto Antananarivo omaly alarobia 01 mey 2019 ny hazakazaka hoan’ny Fanantenana andiany voalohany nokarakarain’ny Fiangonana Advantista Malagasy niaraka tamin’ny ministeran’ny tanora sy fanatanjahantena sy ny ministeran’ny fahasalamana ary ny ministeran’ny mponina Malagasy nanatontosa.

 

 

 

  Nahatratra 3000 isa tany ho any ireo nandray anjara tamin’ity hetsika ity ka ny 50  tamin’ireo dia atltleta manana taratasy filalaovana ara-dalàna ary ny 30 hafa dia pasitera ao amin’ny Foiben’ny Fiangonana Advantista et o Afovoany avokoa notarihan’ny Pasitera Ratarasaotra Paul mpandrindra ny hetsika. Nanampy teo amin’ny fanatontosana kosa ny teknsiana 2 avy ao amin’ny FMA “Federasiona Malagasin’ny Atletisma”. 10 km niainga teo Mahamasina nihazo an’Ampasika sy 5 km nanodidina ny farihin’Anosy sy ny kianjan’i Mahamasina no notanterahina ka nizarana amboara sy medaly an’ireo mpandresy isan’isany. Natao ity hetsika ity, hoy ny Pasitera Ratsarasaotra Paul mba hitaizana ny tanora tsy horebirebin’ny filan-dratsy samihafa sy mba hahazoana fahasalamana hoan’ny rehetra ihany koa.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT