Finoana

Hasin’ny firenena Malagasy “Tanteraho ny hetahetam-bahoaka…”


  • Talata 11 Aogositra 2020

Manana ny drafitra Marshall ny filoham-pirenena, hoy ny filohan’ny fikambanana Hasin’ny firenena Malagasy, Njaka Andriantsoa.

 

 

Sao dia mba tokony drafitra mifanaraka amin’ny fomba fitantanana eto Madagasikara no ataontsika? Tantsaha ny 80%n’ny Malagasy. Tsy afaka mamelona, tsy mahasehaka ilay 20%n’ny Malagasy akory anefa ireo. Na manome vokatra azy ireo aza ankehitriny ny tantsaha dia tsy tonga any amin’ilay mpanjifa fa potika sy lo eny an-dalana satria tsy misy ny fitaterana. Raha hiresaka toekarena hatrany isika dia tsy afaka ny tsy hiresaka Jirama. Maro ny orinasa miodina amin’io Jirama io. Ianteheran’ny fiainam-bahoaka io nefa midangana amin’izao. Efa potika ny fiharian-karen’ny olona, mihena ny vola miditra nefa mbola mandoha Jirama. Mangataka amin’ny filoham-pirenena izahay hoe aleo tsy asiana ny fandoavana ny Jirama, hoy hatrany ny HFM. Hajanony ny fanampiana sasany fa hanohano ny Jirama. Efa midina koa izao ny vidin’ny solika any ivelany ka sao dia tokony heritreretina ny hampidinana ny vidiny eto amintsika? Raha hiakatra mantsy io ao aoriandriana ao dia hampiakatra koa ve isika? Very asa na manao asa an-tselika “informel” ankehitriny ny ankamaroan’ny olona ary tsy mankany amin’ny kitampom-bolam-panjakana izany. Mangataka amin’ny fanjakana izahay hoe tanteraho ny hetahetam-bahoaka, raha mbola tiany ny hipetraka eo amin’ny fitondrana, hoy hatrany ny HFM.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT