Finoana

Halatra am-piangonana alahady Vehivavy iray sarona tao Mahazoarivo


  • Alarobia 02 Aogositra 2017

Ela nitoratorahana tokoa! Renim-pianakaviana iray tsy ampoizina no tratra tamin’ny resaka halatra poketra tao amin’ny Ekar Mahazoarivo-Antsirabe ny alahady 30 jolay lasa teo.

 

 Efa ela no nandrenesana fa amin’ny fotoanan’njy rakitra mitsangana dia misy ny mitsaika poketra ao am-piangonana rehefa alahady. Efa misy hatrany ny fampitandremana ataon’ny mpitarika mialohan’ny fotoam-pivavahana saingy mbola nisy hatrany ny tratra. Efa matetika loatra moa ny tranga ary tsy vao fiangonana iray na roa no lasibatra ka dia nataon’ny komitim-piangonana ny velam-pandrina. Ny Alahady teo ary no nahatratrarana izany tao amin’ny Ekar Mahazoarivo ity ary dia naseho vahoaka teo anoloan’ny alitara ilay ramatoa mitaiza kely. Tsy nanam-po ny olona satria heverin’ny maro ho ireo olona malotoloto mpangataka eo an-tokontany no manararaotra amin’ny fotoan’ny rakitra, hay olona madio lamba no tratra. Ny fanadihadiana tsotsotra nataon’ny kristianina no nahafantarana fa tany amin’ny fiangonan’ny Jesosy Mamonjy no nanaovany ity asa ratsiny ity taloha dia voaroaka tany izy ary nifindra fiangonana tao amin’ny FLM Mahazoarivo ihany koa no tratra ihany koa ary dia izao tratra tao amin’ny Katolika izao indray. Tao amin’ny katedraly Antsirabe moa dia efa nalaza ihany koa izany saingy tsy hay na izy ihany na olona hafa ihany koa.


Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT