Haja Ratsimbazafy

«Tsy nanaiky ny fiarahan’ny mitovy fananahana ny Papa François»


  • Alatsinainy 28 Aprily 2025

Tsy nanaiky ny fiarahan’ny mitovy fananahana ny Papa François,

hoy ny mpanao gazety, mpandalina tantara, Haja Ratsimbazafy, namintina sy nanazava ny lalana nodiavin’ny Papa François fahavelony tamin’ny haino aman-jery namana iray ny sabotsy teo. Niteny fotsiny izy hoe «Iza moa izaho no hitsara azy ireo?» dia samy nandika ny olona, hoy izy. Nanaraka ny dian’ny Masindahy François d’Assise hatramin’ny naha kely azy iny Papa iny. Ny nanjo ny rainy izay mpitsoam-ponenana no raikitra am-pony ka niarovany ny mpitsoam-ponenana tany Lampeduza. 300 taona aty aoriana dia ny Papa François indray no hilevina ao amin’ny Chapelle Sainte Marie Majeure, araka ny hafatra napetrany. Tsy misy mahalala izay ho lany Papa vaovao fa ny azo ambara dia hoe «Miditra ao dia Papa, mivoaka ao dia Kardinaly!», hoy hatrany ny fanazavàny.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT