Finoana

Haino aman-jery Hisokatra ny Radio Fahazavana


  • Alakamisy 23 Aprily 2015

Tsy honohono intsony ny hisokafan’ny Radio Fahazavana. Nanamafy izany ny Talen’ity Onjam-peon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ity, Ravoahangiarison Didier Roland raha tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana.

 


Raikitra ! “Neken'ny fanjakana androany (omaly) 22 aprily 2015 hariva ny hisokafan’ny Radio Fahazavana”, hoy ny Tale. Tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny filazam-baovao sy ny serasera ary ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana no nanome ny alalana, hahafahan’ny Radio Fahazavana misokatra indray. “Tsy ho ela dia afaka mandeha ny radio raha toa ka tsy very sy averin'ny Fanjakana ny fitaovana nogiazany nanomboka tamin’ny 20 mey 2010. Raha tsy izany dia mbola hitady fitaovana vaovao ahazoana miasa. Koa mangataka vavaka sy fanampiana antsika”, hoy Ravoahangiarison Didier. Raha tsiahivina dia ny alin’ny 20 mey 2010 no nanakatonan’ny iraky ny Fahefana avon’ny tetezamita notarihin’i Augustin Andriamananoro minisitry paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny teknôlôjia vaovao sy Nathalie Rabe minisitry ny serasera tamin’izany, ny Radio Fahazavana sy ny nigiazana ny fitaovany rehetra teny Imarivolanitra nisy ny Foibeny. Tsy nisy taratasy mazava fa tonga dia nakatona tamin-kery. Nanomboka tamin’io fotoana io koa ny nisamborana sy nanaovana hazalambo ny mpiasa rehetra tao amin’ity onjampeo ity. Folo mianadahy izy ireo no nifandimby nosamborina, nahitana mpanao gazety, teknisianina eny hatramin’ny mpiambina. “Fandrisihina ireo miaramila (FIGN) hikomy”, izay voalaza fa misy fiantraikany amin’ny filaminana anatiny no niampangana azy ireo. Andro vitsy taty aoriana vao nampahalalaina fa fanapahan-kevitry ny fanjakana no nanakatonana ny Radio Fahazavana. Vokatr’io dia notazomina nandritra ny 7 andro tao amin’ny “violon”-n’ny BC Anosy izy folo mianadahy, ary 103 andro tao am-ponjan’Antanimora. Nisy nandritra izay ny hetsiky ny mpanao gazety, nitaky ny hamoahana azy ireo tsy misy fepetra. Tsy nitsahatra nivavaka amin’ny hisokafan’ny Radio Fahazavana ny mpino FJKM sy ny sakaizan’ny Radio. Nivaly ny vavaka ankehitriny. “Isaorana Andriamanitra”, hoy Ravoahangiarison Didier Roland. Ny tondrozotra, ao amin’ny andininy faha-17 dia milaza ny hisian’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Nisy 80 teo, ireo haino aman-jery nakatona nandritra ny tetezamita, ho santatry ny fisokafan’izy ireny ve ity an’ny Radio Fahazavana ity ? Ny ampitso no hilaza azy.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT