Finoana

Haify mampihavana andiany faha-18 Fahombiazana tanteraka


  • Alatsinainy 28 Septambra 2015

An-jatony ireo olona tonga nitsidika ilay hetsika Haify mampihavana notanterahina teny amin’ny zaridainan’Andohalo ny faran’ny herinandro teo

 

. Hetsika izay nentin’ny fikambanam-behivavy Women Tourism Association for Madagascar nampitana tamin’ny tanora malagasy ny nahandro tena Malagasy izay zary lasa adinodinon’ny rehetra ankehitriny. Toraka izany koa ny fahaizana misakafo, ny mifantina  ny akora hampiasaina hahatongavana amin’ilay sakafo tena fy. Sakafo an-jatony karazana, araka izany, no naranty teny an-toerana nandritra ny roa andro. Ankoatra ireo avy eto an-drenivohitra dia hita tao ihany koa ny avy any amin’ny faritra sy ny avy any ivelany nentina nanomezana ohatra ny isan-tokantrano. Narahina fifaninanana tsikonona nandraisan’ireo ankizy mivondrona anaty vondrona 15 isa izany ka ny vondrona iray misy ankizy dimy no nivoaka ho mpandresy omaly. Notoloran’ny vadin’ny filoha fanomezana manokana izy ireo hampirisihina azy amin’ny fiketrehana ny fomba nahandro tena Malagasy.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT