Finoana

Hafatry ny Papa ho an'ny tanora "Miditra eto Madagasikara amin'ny alalanareo ny hoavy"


  • Alatsinainy 09 Septambra 2019

Tanora anankiroa no nijoro vavolombelona, nitantara tamin'ny Papa Fransoa sy ireo rehetra tonga nanatrika ny alim-bavaka teny Soamandrakizay,

 

 

 ny lalam-piainana nodiavin'izy ireo sy ny faniriany avy. Niainga tamin'izay ny hafatra nampitain'ny Ray Masina tamin'ireo tanora malagasy, tamin'ny sabotsy teo. Amin'ny alalanareo, hoy izy, dia miditra eto Madagasikara sy ao amin'ny Eglizy ny hoavy. Mba hahatanteraka izany dia nanentana ny tanora mba hatoky tena ny Papa, satria ny Tompo no voalohany nametraka fitokisana aminareo, hoy ny nambarany. Nanasa ny tanora izy mba hatoky tena, hatoky ny fahafaha-manao sy ny fahaiza-manao. Tao anatin'izany koa anefa dia anisan'ny fanentanana nataon'ny Ray Masina tamin'ny tanora ny mba hiarahan'izy ireo miasa. Marina, hoy ny voalazany fa afaka mahazo zava-dehibe ny tsirairay nefa raha miaraka dia afaka manonofinofy sy manatanteraka zavatra tsy hita noanoa. Fangatahana moa no namaranan'ny Papa ny hafatra navelany ho an'ny tanora, dia ny hoe : "aza adino ny mivavaka ho ahy".

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT