Hafatry ny Papa Fransoà

« Mila milofo amin’ny Fampianarana ny Eglizy aty Madagasikara »


  • Alarobia 12 Febroary 2025

Manatanteraka iraka any Roma ankehitriny ny solontenan’ny Birao maharitry ny Fivondronamben’ny Eveka

eto Madagasikara (FEM), ahitana an’i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, evekan’i Morondava sady filohan’ny FEM, Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, evekan’Antsirabe sady filoha lefitry ny FEM, Mgr Jean Claude Rakotoarisoa, evekan’i Miarinarivo sady sekretera jeneralin’ny FEM, ary R.P. Séraphin Rafanomezantsoa, sekretera mpandrindra ny FEM. Noraisin’ny Papa Fransoà izy ireo ny marainan’ny alatsinainy 10 febroary. Notsindrian’ny papa fa adidin’ny Eglizy eto Madagasikara ny hanamafy ny fanabeazana sy hanampy amin’ny fanomezana kopian’ny nahaterahana ho an’ny ankizy, satria maro amin’izy ireo no mbola tsy manana izany. Nomarihiny fa zava-dehibe amin’ny fampandrosoana maharitra ny fanatanterahana izany, ary ilaina ny fanohizana ireo ezaka efa natao mba hampiorenana hatrany ny asa sosialy sy fanabeazana ataon’ny Eglizy eto Madagasikara. Nasian-teny ihany koa ny fananganana ho Olomasina an’i Lucien Botovasoa. Nampirisihin’ny papa ny hanohy amin’ny vavaka sy finoana amim-paharetana mba hahatonga izany ho zava-misy. Raha mivavaka am-patokisana isika, hoy izy, dia ho avy tsy ho ela izany. Hisy fihaonana amin’ny sampan-draharaha manokana ao Vatikana amin’ny 12 febroary, izay hiresahana momba io dingana io sy ireo Olo-malazan’ny finoana avy eto Madagasikara. Farany, nanome tsodrano apostolika ho an’ny vahoakan’i Madagasikara ny papa ary nankahery ireo eveka amin’ny andraikitra sahaniny. Notsindrihany manokana ny fiahiana ny sosialim-bahoaka mba hampitoerana fanantenana, na dia eo aza ny fahasahiranana atrehin’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro. Nilaza ihany koa izy fa anjaran’ny Eglizy ny manampy amin’ny fanentanana sy famporisihana ny vahoaka ho amin’ny fifankatiavana sy ny fandriampahalemana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT