Hafatry ny filohan'ny FJKM

"Aza manao taom-baovaon'ilaikely..."


  • Alakamisy 02 Janoary 2025

Niarahaba ny rehetra sy nitondra hafatra taom-baovao 2025 ny filohan'ny FJKM Irako Andriamahazosoa Ammi ,

ity hoy izy no hafatra taom-baovao farany ataonay amin'ny maha filohan'ny FJKM anay. Nambarany ary ny hoe : aza manao taom-baovaon'llaikely, hoy izy ka ny taona fotsiny no vaovao, fa izy nijanona ho tontakely. Aza manao taom-baovaon'ny adala manao an' Andriamanitra ho tsy misy ka handeha hitsambiki-mikipy. Aza manao Taom-baovaon'ny mpanao isan-kerintaona: Taom-baovao no miditra am-piangonana mandavantaona, tsy miangona intsony. Aza manao taom-baovaon'ny marary saina: mihevitra ny hoe tsy ho faty ka tsy mihevitra ny mandrakizay. MIBEBAKA, TSY TONTAN'NY OTA Fa kosa manaova taom-baovaon'ny Mpianatr'i KRISTY: Ny taona: vaovao, izy efa olom-baovao rahateo. Jesoa no ao anatiny ao; izy mihavao isan'andro.Mpanota izy fa mahay mibebaka, ka tsy mety ho tontan'ny ota.Kristy no anton'ny ahavelomany: ny fahasoavany no ianteherany, ny Fanahiny no ekeny hitarika, ny Fitiavana no hery manetsika, ny Fahamarinana no ataony filamatra, ny Fanenjehana, tsy mampihemotra azy, ny Voninahitr Andriamanitra no lolohaviny an-tampon'ny loha.Nohamafisiny ny foto-kevitra ijoroan'ny Fjkm dia ny hoe vontoso filazantsara i Madagasikara, filazantsara manova ny tantara.
Nangonin'i RTT

(Tahirin-tsary)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT