Finoana

Hafatry ny FFKM « Ny fahamarinana no manandratra ny firenena »


  • Alakamisy 30 Martsa 2023

Vavaka iraisam-pinoana notanterahina teny amin’ny 𝗙𝗝𝗞𝗠 𝗔𝗺𝗯𝗼𝗵𝗶𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮 𝗙𝗶𝘁𝗶𝗮𝘃𝗮𝗻𝗮 omaly Alarobia no nentina nanamarihana ny tsingerin-taonan’ny tolom-panafahana tamin’ny taona 1947.

Niara-dalana tamin’izany ny fanokafana ny fihaonam-be n’ny FFKM taona 2023. Lohahevitra banjinina amin'izao fihaonam-be izao ny hoe “𝐉𝐞𝐫𝐞𝐨 𝐟𝐚 𝐨𝐦𝐞𝐤𝐨 𝐟𝐚𝐡𝐞𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐚𝐧𝐢𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐟𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐛𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐨𝐧𝐠𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐡𝐚𝐧𝐣𝐞𝐫𝐚, 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐩𝐨𝐭𝐢𝐤𝐚 𝐬𝐲 𝐡𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐯𝐚, 𝐚𝐫𝐲 𝐡𝐚𝐧𝐨𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐡𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐲 𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲” araka ny voasoratra ao amin’ny Jeremia 10 : andininy voalohany. Ny fahamarinana no manandratra ny firenena. Miombona amin’izay fandehanana mankany amin’ny fahamarinana izany ny FFKM ary manohitra izay manohitra ny fahamarinana kosa . Tonga teny an-toerana nanatrika izao fotoan-dehibe izao ny Filoham-pirenena teo aloha Hery Rajaonarimampianina, sy Marc Ravalomanana, ny filoham-panjakana teo aloha Rivo rakotovao sy ny mpitarika ny Antoko MMM Hajo Andrianainarivelo. Nisy ny vavaka ho an’ny firenena nandritra izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fotoam-pivavahana notanterahina omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT