Finoana

Hafatr’i Papa Miandry ny akony amin’ny mpitondra ny WWF


  • Zoma 13 Septambra 2019

Tokony hisy akony eo anivon’ny fitondram-panjakana, hoy ny avy eo anivon’ny WWF Madagascar,

 

 

 

ireny hafatry ny Papa Fransoa nandritry ny fandalovany teto Madagasikara ny 6 ka hatramin’ny 10 septambra ireny. Amin’ny maha rafitra iraisam-pirenena misahana ny tontolo iainana azy moa dia notsindrian’ity rantsan’ny firenena mikambana ity manokana ny resaka fanajana ny tontolo iainana sy ireo voary ao aminy. Mazava, hoy ity rafitra ity, ny filazan’ny Papa mikasika ny mahamaika ny famoronana asa mikajy ny tontolo iainana sy fahasamihafana ary ny fifandraisan’ny olombelona malagasy amin’ny zavaboary manodidina azy hivoahany amin’ny fahantrana. Rehefa alalinina, hoy hatrany ny WWF, ny tian’ny Papa ambara amin’ireo loza mitatao amin’ny tontolo iainana malagasy dia mifandraika indrindra amin’ny resaka voka-dratsin’ny doro tanety ary fanapahana sy fanondranana hazo sarobidy sy zava-manan’aina sarobidy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT