Finoana

Global day of prayer Hotanterahina manomboka ny 21 mey


  • Alatsinainy 11 Mey 2020

Hotanterahina manomboka ny 21 mey ho avy izao ihany ilay hetsika Global day of prayer karakarain’ny mpiara-mamaky ny Baiboly sy ny mampiely Baiboly Malagasy.

 

 

Hanomboka amin’ny 06 ora sy fahefahany hariva izany haparitaka amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera facebook hampitomboana hatrany ny finoan’ireo mpino Kristiana tsy hanavahana fiangonana no sady hitondrana am-bavaka ny firenena Malagasy. Hitohy amina vavaka mandritra ny folo andro tsy an-kiato izany aorian’io daty voatondro io ka anisan’ny hangatahana mba hivavaka sy hitalaho amin’Andriamanitra ny Kristiana isan-tokantrano hivoahan’ny firenentsika amin’izao areti-mandoza coronavirus izao. Ny 30 mey izany vao hifarana. Tsiahivina moa fa tamin’ny taona 2000 no nanomboka ny hetsika Global day of prayer. Firenena mihoatra ny 240 maneran-tany no efa mampihatra azy ankehitriny, manana tanjona famelon’aina hatrany ny fanahin’ireo mpino kristiana sy hanohana am-bavaka ny mpiara-belona.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT