Finoana

GAEFI, TDL, Pastera Jocelyn Ranjarison Hanao fampisehoana etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina


  • Sabotsy 27 Oktobra 2018

Ho fanohanana ny mpiara-belona ara-panahy sy ho fankalazana ny faha-15 taona niorenan’ny Groupe Artistique Evangelique Fenoantsa Itaosy ( GAEFI) dia hanatanteraka fampisehoana goavam-be etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina izy ireo ny 01 novambra ho avy izao.

 

 Hiarahany amin’ireo mpanakanto malaza toa an’i Fanja ao amin’ny tarika TDL izany, ny pastera Jocelyn Ranjarison ary ny tarika Antsan’i Kristy. Tanjon’ny mpikarakara raha araka ny fanazavan’Atoa Andriamalala Rivo, filoha mpanorina ny fikambanana ny mba hahafahan’izy ireo  mitory ny hatsaran’Andriamanitra eto an-drenivohitra raha toerana maro no efa notetezin’izy ireo tany amin’ny faritra.  Taratasy fanasana raisina etsy amin’ny super music Analakely no hahafahana miditra amin’ny fampisehoana raha tsy misy kosa ny vidim-pidirana. Raha tsiahivina kely moa dia 40 mianadahy ireo  mpikambana eo anivon’ny GAEFI. 15 taona no zandriny indrindra amin’izany raha 50 taona no  zokiny indrindra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT