Finoana

Frère Abel « Efa anaty lamina vaovao maneran-tany isika »


  • Alarobia 09 Septambra 2020

Misy teny ao amin’ny bokin’ny Daniela ao hoe izay mamerina ny maro ao amin’ny fahamarinana, izany mamerina ilay fahamarinana hahafahan’ny maro miverina, Rivo Abel Rovatiana na Frère Abel,

 

 

izay mpitarika ny fikambanana mpiara-mikatsaka ny fahamarinana sy fiainana mandrakizay eto Madagasikara na Fimpimi FFM. Anisan’ny fahamarinana averinay ny hoe tsy tokony ovaina ny anaran’ny avo indrindra izay amin’ny teny hebreo. Mahafantatra izany daholo na mpitondra fivavahana amin’ny fiangonana zokiny na zandriny, hoy izy. Tafavoaka ny malagasy, raha miverina amin’izay foto-pinoana izay. Ny anaran’olona tsy olana fa ilay anarana tokana tsy mety, hoy izy. Ny teny faminaniana dia hoe na iza na iza hiantso ny anarany fa tsy hoe na iza na iza hanova ny anarany. Hebreo ny fihaviantsika Malagasy, hoy ny fanamarihany, ary azonay porofoana izany. Ny finoana ny anaran’ny zanaky ny avo indrindra aminay no mahavonjy. Tsy tonotononina foana io ary natao hianarana, izany hoe, ny olona no tokony hanantona ny mpampianatra toy ny fanatonany ireny fampianarana fiarakodia ireny. Mihoatra lavitra izany no tokony hitadiavany ny fianarana momba io anarana io sy ny lalana ao aminy, hoy hatrany izy. Ny rafi-panjakana ankehitriny dia efa anatin’ny lamina vaovao maneran-tany apetraky ny Franc maçon sy ny Illuminati ary atsy ho atsy dia ho fanjakana tokana, vola tokana, fivavahana tokana no arahana eto ambonin’ny tany. Fanjakan’ny olona manam-bola ary hamongorana ny mahantra io ka ny vahaolana ho antsika eto Madagasikara, satria io fanerena ny olona hanaraka fivavahana tokana sy fametrahana ny marika 666, dia izay miambina, araka ny voasoratra no sambatra. Ny miambina no tokony atao, hoy hatrany izy.


 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT