Roa andro taorian’ny nanombohan’ny fivorian’ireo kardinaly 115 tao amin’ny Chapelle Sixtine dia nijolofotra ny setroka fotsy, omaly tamin’ny 9 ora alina, ora eto Madagasikara, izay manambara fa voafidy ny Papa Ray Masina. Tamin’ny 10 0ra sy 12 minitra, avy eo no nambara tamin’ny fomba ofisialy fa ny kardinaly Jorge Mario Bergoglio, 77 taona, no Papa Ray Masina faha-266 ka nisafidy ny hisalotra ny anarana hoe : «François 1er» izy.
Avy any Arzentina ity Papa vaovao ity, Kardinaly Arsevekan’i Bueno Aires renivohitr’i Arzentina izy, akaiky kokoa ny mahantra, ary voalohany izao tato anatin’ny 1300 taona, no tsy Eoropeanina fa avy any amina kaontinanta hafa ny Papa Ray Masina voafidy. Efa maro ihany no nanombatombana fa mety ho avy any Amerika Latina no ho eo amin’ny fiketrehana Masina satria any Amerika Latina no misy ny 60%-n’ny mpino Katolika eto ambonin’ny tany. Fihetsika voalohany nataon’ny Papa François I ny nivavaka ho an’ny Papa Ray Masina teo alohany Benoit XVI, ary avy eo dia nangataka ny olona mba hivavaka ho azy, izy mialoha ny nanolorany ny tso-drano ho an’ny rehetra.
Raha ny tantara tato anatin’ny taonjato iray no jerena dia anisan’ireo Papa Ray Masina voafidy tao anatin’ny fotoana faran’izay haingana ity Papa faha-266 ity satria roa andro monja dia vita ny resaka, izany hoe fihodinana efatra ny fifidianana natao, ary mazava fa efa nisy ny olona roa na telo nandrian’ny fon’ireo Kardinaly nifidy. Tsy tokony hohadinoina koa anefa, araka ny nambaran’ny arsevekan’Antananarivo Odon Marie Arsène Razanakolona, fa ny asan’ny Fanahy Masina no tena misongadina mandritra ny fifidianana ny Papa Ray Masina fa tsy ny hevitry ny olombelona. Feno hipoka ny Kianjan’ny Masindahy Piera tao Vatican omaly, ary naharitra ora maro ireo olona an’aliny niandry izay anaran’ny Papa vaovao. Henjana sy makadiry ny andraikitra miandry ny Papa Francois 1er satria mandalo krizy koa ny Eglizy Katolika. Eo aloha ireo pretra voarohirohy amin’ny fanolanana zaza tsy ampy taona. Ao koa ny pretra mangataka ny hahazo manambady. Mbola ady be ho an’ny Eglizy ihany koa ny fampiasana ny fimailo sy ny fanambadian’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy, izay manomboka mahazo laka any amin’ireo firenena eoropeanina, eny fa na dia any Espaina izay firenena noheverina fa tena Katolika hiringiriny aza.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.