Finoana

Foyer Chrétien International Hivavaka ho an’ny mpanala fanadinana


  • Alarobia 11 Jolay 2018

Omaly talata 10 jolay no nampahafantarina tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina ny fisian’ny hetsika “fiderana sy tso-drano” karakarain’ny Foyer Chrétien International.

Efa fanao isan-taona ity hetsika ara-pivavahana izay hotanterahina etsy amin’ny CBA By-Pass Alasora ity saingy hahazo tombony manokana ny mpanala fanadinana. Hanomboka amin’ny 1 ora ny fotoana ary ho avy hanafana ny fiderana sy ny vavaka ho an’ny mpianatra i Joseph d’Af. Ankoatra izay dia hisy ny tso-drano sy fangataham-pitahiana ho an’ireo izay tonga manatrika ity fotoana ity. Adiny 5 eo ho eo ny faharetan’ny hetsika ary tsy misy rakitra tatazana, tsy misy ihany koa ny vidim-pidirana. Vavaka sy fiderana no atao ary tsy hanavahana fiangonana fa asaina avokoa ny kristianina rehetra. Nanambara ihany koa moa izy ireo fa tsy hisy mihitsy ny fitaomana olona hiova fiangonana fa hianoka tanteraka anaty fiderana sy vavaka ary tso-drano ny mpino izay ho avy ao.

Tsiry


 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT