Finoana

Fotoan-dehibe ho an’ny FJKM Eny amin’ny Coliseum ny alahady izao


  • Alakamisy 13 Janoary 2022

Ho ambohipihaonan’ny mpino FJKM indray ny alahady 16 janoary 2022 izao. Toy ny fanaony isan-taona mantsy, dia hotanterahina amin’io alahady io etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe ny fanompoam-pivavahana lehibe ataon’ny mpino FJKM.

 Fanao isaky ny fiandohan’ny taona io hitondrana am-bavaka sy hanokafana ny taom-piasana 2022, ary indrindra ho fitondrana am-bavaka ny filohan’ny FJKM ny Pasitera Irako Andriamahazosoa Ammi. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fisaorana an’Andriamanitra amin’ireo soa sy ny taona vaovao. Fandaminana entin’ny mpikarakara ao amin’ny foibe FJKM eo anatrehan’ny fipariahan’ny valanaretina coronavirus amin’izao fotoana izao kosa ny fanaovana fidirana roa amin’io fotoana io. Ho an’ny fidirana voalohany, dia manomboka amin’ny 7 ora sasany izay natokana ho an’ny sinodam-paritany Antananarivo Andrefana sy ny Avaradrano. Ny fidirana faharoa kosa natao ho an’ny synodam-parintany Antananarivo Atsimondrano sy Atsinanana miampy ireo olona nasaina izay ahitana tomponandraiki-panjakana sy ny fiangonana rahavavy. Nanamafy sy nanentana momba ny mpikarakara mba hanajan’ny rehetra ny fepetra sakana rehetra, indrindra ny elanelana izay napetraka ho 1 metatra raha kely, ny fampiasana arovava orona , ny fanasana tanana matetika,... Ankoatra izay, dia misy ihany koa ny fanentanana ny rehetra hitondra satroka sy rano satria iaraha-mahalala fa migaina ny andro.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT