FONJAN' ANTANIMORA...

Zaza iray sy voafonja 14 vita batisa


  • Alakamisy 04 Septambra 2025

Tontosa tao amin’ny Fonjan’Antanimora omaly Talata 03 Septambra

nandritra ny fotoam-pivavahana izay notarihin’ny Fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara, Synodamparitany Antananarivo Andrefana, ary niarahana tamin’ny Aumonerie Fonja Fiarenana Antanimora, ny fanaovam-batisa sy fanokanana ho mpandray fanasan’ny Tompo ireo andiany « FINOANA ». Zaza 1 sy voafonja miisa 14 no vita Batisa tamin'izany. Miisa 43 kosa ireo noraisin-tanana sy notokanana ho mpandray ny fanasan’i Tompo. Ny Soratra masina ao amin’ny Jaona 9:35d,38a manao hoe: « Mino ny Zanak’Andriamanitra va hianao? … Tompoko, mino aho » no nosafidian’izy ireo ho Teny Faneva. Nisolo tena ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, BELALAHY Hanitriniaina. Tsiahivina moa fa tezaina ara-panahy tahaka izao ihany koa ireo voafonja hahafahany manatsara sy manitsy ny diany rahatrizay tafaverina eny anivon'ny fiaraha-monina izy ireny.
Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT