Finoana

Fonjaben’i Toamasina Voafonja 3 mianadahy nanao fanamafisam-pinoana


  • Talata 05 Mey 2015

Niatrika ny fanamafisam-pinoany nanoloana ny Arsevekan’i Toamasina, Mgr Derise Tsarahazana, tao amin’ny “chapelle St Pierre” ny fonjaben’i Toamasina ireto voafonja telo mianadahy, vehivavy 1 ary lehilahy 2. Nandritra izany no nilazan’ny Mgr Desire Tsarahazana

 


  fa “tsy hoe mifonja akory ny olona dia tsy afaka hanatona an’Andriamanitra”. Nandritra ny lanonana ity ihany koa no nitokanana sy nitsofan-drano araka ny fomba kristianina ny trano famakiam-boky vaovao, nandaniam-bola 35 tapitrisa ariary tamin’ny fiaraha-miasan’ny ACP na Aumonerie Catholique de Prison sy ny AFM na Association France Madagascar; teo koa ny trano fivarotana ireo asa tanana vitan’ny voafonja amin’ny alalan’ny “atelier” vao napetraka hahafahan’ny voafonja mianatra asa sy miatrika ny fiainan-koaviny aorian’ny fivoahan’ny fonja. Ilay toerana famakiam-boky dia misy ireo boky rehetra ilaina amin’ny fanarenana sy fanalana hamohamo ny voafonja, saingy ny boky masina sy ny boky “roman” no tena be mpamaky, araka ny fanazavana azo. Hita ao amin’ity toerana ity koa ny ivontoerana fihainoana ireo voafonja izay tena ilaina, hoy ny talen’ny fandraharahana ny fonja, Atoa Mahatama, mba tsy ho olana amin’ny fiarahamonina sy ny fianakaviany ary ny tokantranony, ireo voafonja eo am-pahavitan’ny saziny. Eo koa ny hahafahany miatrika am-pitoniana sy am-patokisan-tena ny fiandrasany fitsarana sy ny famitany ny saziny.

 


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT