Finoana

Foiben’ny FJKM Nifindra tanteraka eny Ampandrana


  • Alakamisy 30 Jona 2016

Notokanana omaly ny « Centre de Formation pour le Développement » an’ny Fjkm tetsy Ampandrana, izay notarihan’ny Mpitandrina Lala Rasendrahasina Filohan’ny Fjkm sy ireo Filoha mpanampy Mpitandrina sy Laika, Pasitera Zarazaka Jean Louis sy Atoa Marc Ravalomanana.

 

 

 Nambaran’ny Mpitandrina Lala Rasendrahasina fa tsy eny Analakely intsony ny foiben’ny Fjkm fa hafindra eny Ampandrana eo amin’ny CFD manomboka izao. Efa vita ela ny fotodrafitrasa fa noho ny antony samihafa dia omaly alarobia 29 jona 2016 vao notokanana. Ao amin’ny CFD Ampandrana koa no anaovana ny fiofanan’ireo tompon’andraikitra eo amin’ny fiangonana hanatsarana ny fahaiza-manao sy ny fitantanana ho an’ireo tompon’andraikitra maro samihafa eo anivon’ny Fjkm. Araka ny voalazan’ny Filohan’ny FJKM ihany koa dia hatomboka amin’ity taona ity ny fanitarana sy fanatsarana ny kolejy teolojika eny Ivato ary hasiana fotodrafitrasa vaovao. Izany dia fiaraha-miasa sy ezaka hataon’ny Fjkm rehetra eto Antananarivo. Tsikaritra nanomboka ny fetin’ny 26 jona teny Mahamasina fa manomboka miseho sy mandray ny asany ny mpitandrina Lala Haja Rasendrahasina filohan’ny Fjkm raha toa ka somary nangingina teo aloha teo.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT