Finoana

FOIBE METM Mpanakorontana sy mpanalabaraka fiangonana, hoy Rakotobe Andriamaro


  • Alakamisy 22 Martsa 2018

Nivoaka tamin’ny fahanginana omaly ny teraky ny mpitandrina Rakotobe Andriamaro, filoha mpanorina ny fiangonana MET tamin’izany fotoana manoloana ny fanakatonan’ny prefet tamin’ny alalan’ny foibe ny fiangonana METM Zoara Famonjena etsy Antohomadinika, izay renin’ny fiangonana METM manerana ny Nosy.

Nambarany fa tsy mifanaraka intsony amin’ny vina napetraky ny Raiamandreniny ho an’ity fiangonana ity ny zava-misy ankehitriny. Tsy i Kristy intsony no manapaka, hoy izy, fa ny foibe satria dia izy ireo mihitsy no nanakatona ny fiangonana, antony nahatonga ireo mpino hivavaka sy hidera an’Andriamanitra teny an-tokotany ny alahady teo. Tsy mijanona eo amin’ny resaka fanahy ihany izany, hoy i dokotera Rakotobe Andriamaro fa miseho amin’ny alalan’ny fiteny sy fihetsika tsy voahevitra ihany koa  miaraka amin’ny fitenenan-dratsy sy ny fanehoana ny fahaizana karate teny ambony alitara. Hanananay izany sarimihetsika izany, hoy hatrany ny dokotera Rakotobe Andriamaro.  Nasiany  resaka ihany koa ny mikasika ny tsy fanarahan’ny foibe ny fitsipi-pifehezana eo anivon’ny fiangonana METM. Masi-mandidy amin’izay mpitandrina tiany hapetraka, hoy izy ny mpandray ny fanasan’ny Tompo rehefa mihoatra ny 80 isa. Ny mahavariana anefa, hoy izy dia mbola nidiran’ny foibe ihany ny fanalana mpitandrina sy ny fanakatonana ny fiangonana METM Zoara Famonjena etsy  Antohomadinika. Raha  sanatria ka misy ny olana  anefa eo anivon’ny fiangonana, hoy izy dia mbola ny synodam-paritany sy ny mpandray ny fanasan’ny Tompo no tompon’andraikitra voalohany nefa dia efa nentin’ny foibe teny amin’ny fitsarana sahady ny raharaha entina hanalam-baraka ny fiangonana. Tsy mahazo manao politika ihany koa ny foibe, hoy izy nefa dia mbola solombavambahoaka ihany koa no napetraka ho filoha lefitra izay mariky ny tsy fanarahan-dalàna avokoa ankoatra ny fanodinkodinam-bola marobe, ny fiaran’ny fiangonana tsy hita…. Miantso ny foibe mba handini-tena ny  dokotera Rakotobe Andriamaro sady mamela hafatra amin’izy ireo ihany koa amin’ny alalan’ilay tenin’ny soratra masina manao hoe : “Izay hataonareo amin’ireny madinika ireny, hoy ny Tompo dia hataonareo amiko koa” !

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT