Finoana

Foibe fitondran-tsekoly FJKM Mba nanome “tosika fameno” ihany koa


  • Alakamisy 27 Aogositra 2020

Tontosa omaly tetsy amin’ny FJKM Atsimon’i Mahamasina ny fitondrana am-bavaka, toy ny fanao isan-taona, ireo mpianatra hanala fanadinana eo anivon’ny

 

 

foibe fitondran-tsekoly FJKM na ny fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Satria moa mbola anatin’ny ahamehana ara-pahasalamana ny firenena dia mba nanome “tosika fameno”, araka ny fomba fiteny malaza ireo mpianatra hanala izay fanadinam-panjakana izay ihany koa ny eo anivon’ity foibe fitondran-tsekoly ity sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy toy ny ONG Mahay sy ny fikambanana CBM, izay tarihin’ny filohany, Lila Ratsifandriamanana. Isan’izany fanomezana izany ny fitsapana hafanana, ny kojakoja fiarovana amin’ny aretina na “kit geste barriere”, ny arotava, ny “gel disinfectant” ary ny kitapom-panafana na “boite a pharmacie”. Efa namaritra sahady ny fidirana ho an’ny taom-pianarana manaraka sahady ihany koa moa ny sekoly FJKM ka dia ny 6 oktobra izao no fidiran’ny mpianatra ho an’ny ambaratonga fototra ary ny 12 oktobra kosa no ofisialy ho an’ny ambaratonga faharoa.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT