FLMN Vakinankaratra

"Vonona handroso ny fiangonana!"


  • Alakamisy 12 Septambra 2024

Ny 4 hatraminy 8 septambra 2024 teo moa no tontosany ny atao hoe "Isan-taona faha 54 an'ny sinoda

Vakinankaratra" ho an'ny Fiangonana Loteriana Malagasy Nohavaozina na FLMN. Teny faneva ny hoe "Mandrosoa ho amin'ny lalina!". Teny nalaina tao amin'ny Baiboly, ao amin'ny Lioka:5, 4 sy ny hoe "Ka miharia harena ho anareo any andanitra!" Ao amin'ny Matio 8 : 20, hoy ny fampitam-baovao voaray. Ny alarobia no fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ka lahateny nentin'ny filoha nasionaly, ny Pastora Solofo Andrianoarintsoa, ny hoe "Vonona handroso ny fiangonana." Ny alakamisy kosa dia nisy asam-pifohazana maraina ary ny hariva dia nisy fifaninana ara-panatajahantena toy ny lalao baolina kitra ka nahazo ny voalohany tamin'izany ny FLMN Antananarivo. Ny zoma no natao ny fampianarana soratra masina izay nozaraina 2 ka tao ny natokana ho an'ny lehilahy ary tao ny natokana ho an'ny vehivavy. Ny sabotsy dia fifaninanana antsan-kiram-piderana nahitana mpifaninana miisa 5 ka nahazo ny laharana voalohany ny FLMN Ambatotsipihina. Ny alahady kosa dia nisy ny Litorijia an'ny fiangonana izay narahina fandraisana fanasan'ny Tompo ka ny filoha nasionaly ihany no nitondra ny tenin'Andriamanitra, izay nifototra betsaka tamin'ny teny faneva nambara teo. Ity isan-taonan'ny sinoda vakinakaratra notanterahina tany Ambaniriana ity dia natao ho ezaka Tafom-piangonana. Tohin'ny fandaharam-potoana FLMN manaraka kosa ny fanokanana ny ho sinoda Atsimo any Beloha, Androy manomboka ny alarobia 18 hatramin'ny alahady 22 septambra 2024, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT