Finoana

FLM sy ny politika Mba resaka tiana hatavy


  • Alarobia 19 Septambra 2012

Raha efa saika tafiditra ny resa-politika ny fiangonana Loterana Malagasy faramparany teo dia resy ihany izany noho ny fijoroan’ny fiangonana tamin’ny heviny.

 Tafaverina soa aman-tsara amin’ny toerany daholo ihany mantsy ireo mpikambana dimy mianadahy ao anatin’ny birao foibe, hetsika natao nandritra ny synoda lehibe tany Toliara ny 04 ka hatramin’ny 13 septambra lasa teo, araka ny fanazavan-dRandriamampionontsoa Lantonirina, komity mpiandraikitra izany. Efa in-telo voafidy izy dimy mianadahy ireo hatramin’ny taona 2004 no ho mankaty, fifidianana atao isaky ny efa-taona. Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny fanavaozana ny foto-dalàna mifehy ny fiangonana. Saika nalefa any amin’ny fitsipika manankery avokoa mantsy ireo kipitson-javatra rehetra, araka ny fanazavan’ity tompon’andraikitra ity ihany. Tontosa araka ny tokony hoy izy ity synoda lehiben’ny fiangonana FLM ity, araka ny fanazavana azo ihany. Saika tonga daholo ihany koa ireo mpivory nandrasana. Resaka tiana hatavy fotsiny ny ankoatra izay !

 
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT