Finoana

FLM Sambava Nizara roa tanteraka ny Fiangonana


  • Alatsinainy 14 Septambra 2015

Noheverina fa hiravona tao anatin’ny herinandro ny disadisa ao amin’ny FLM Sambava taorian’ny fanoheran’ny ampahan’ny mpiangona ny famindran-toerana ka nanoloana ny pastora tompon-toerana

 

. Tsy izay no nitranga fa dia nizara roa tanteraka ny Fiangonana, raha ny hita omaly. Ny ampahany lasa niangona tany an-tokotanin’ny hopitaly Loterana niaraka amin’ny pastora vao notendrena ho amin’ny FLM Sambava, ny ambiny mpomba ny pastora nahazo famindran-toerana hiasa any Ampanavoana Antalaha indray niara-nivavaka tamin’ity farany tao am-piangonana.

Lasa resabe ao Sambava ity raharaha ity. Na ny Fanjakana ao an-toerana aza toa tsy mahalamina azy dia sanatria ve avela hisy hifamono sy hifandatsa-dra vao mody ho taitra satria efa mandeha ny feo omaly fa tsy maintsy ho avy ao am-piangonana ny pastora vao notendrena sy ireo niara-nivavaka taminy tany amin’ny hopitaly omaly.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT