Finoana

FLM Manaja fepetra izay fiangonana te hisokatra


  • Sabotsy 25 Aprily 2020

Taorian’ny fiangonana Fjkm sy ny Ekar Katolika dia nanao fanambarana ihany koa ny Fiangonana Loterana Malagasy omaly notarihin’ny filohany ny Pastora dr Rakotonirina David sady filohan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara.

 

 

 

 

Nambarany tamin’ izany fa afaka misokatra izay te-hisokatra saingy tsy maintsy manaraka ny fepetra ara-pahasalamana napetraky ny Fitondram-panjakana kosa izay efa nisaorany manokana ny fiangonana rehetra tamin’ny fankatoavana izany. Lohalaharana amin’ireny ny fitondrana arotava, ny fanasan-tanana mialohan’ny hidirana ao am-piangonana sy rehefa mivoaka, ny fanadiovana ny fiangonana, ilay elanelana 1 metatra…. Mikasika ny firaisana latabatra amin’i Tompo dia nomarihiny manokana fa tokony samy hitondra kapoakam-pandraisana ny tsirairay ho fiarovana amin’ny fiparitahan’ny COVID 19. Amin’ny mahafilohan’ny FFKM azy indray mikasika ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fiangonana tsirairay dia nomarihiny manokana fa tsy asiana olana izay fepetra noraisin’ny fiangonana tsirairay avy mikasika ny fisokafany sy ny mbola tsy fisokafany. Ny zava-dehibe hoy izy dia iray tsy mivaky FFKM antony nahazoan’izy ireo ilay anaram-bositra hoe : betsimisaraka. Ankoatra izay hoy izy dia mitohy hatrany ny fotoam-pivavahana izay hiarahan’ireo filoham-piangonana efatra manao ka amin’ny Alahady ho avy izao dia ao amin’ny Fjkm Isotry Fitiavana no hanatanterahany izany, azo arahina mivantana ao amin’ny RNM sy TVM manomboka amin’ny 05 ora hariva.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT