Finoana

FLM Fihaonana Tolagnaro Atahorana ny hisian’ny fifanjevoan’ny samy mpino


  • Zoma 29 Aprily 2011

Tranga ahiana hipoaka amin’izao faran’ny herinandro izao ny disadisa misy eo anivon’ny Fiangonana loterana Synodam-paritanin’i Faradofay.

Manaitra ny maro mantsy ny mahita sorabaventy miranty eo am-pidirana ny fiangonana FLM Fihaonana Bazaribe, nanomboka ny talata teo. Sorabaventy izay milaza amin’ny ankapobeny fa ireo pastora ao amin’ny synodam-paritany Faradofay dia tsy manaiky ny fanitsakitsahan’ny filohan’ny synoda ny lalàmpanorenana sy ny fanaovana ampihimamba fananan’ny fileovana Ambohimazava Fitiavana sy ny FLM Fihaonana. Manampy izay, araka ny loharanom-baovao, ny famindran-toerana pastora, miendrika fanamparam-pahefana, tapaka nandritra ny isakerintaona nataon’ny Synodam-paritanin’i Faradofay tao Manambaro nanomboka ny 15 aprily teo. Voalaza moa fa amin’ny alahady izao no hapetraka amin’ny toerany avy ireo pastora vaovao ireo.

Re anefa fa tsy manaiky ny sasany amin’ireo pastora tompon-toerana, ary misy amin’ireo mpino kristianina koa no tsy makanto izany. Atahorana noho izany ny hisian’ny fifanjevoana amin’io alahady io ao amin’ny FLM Fihaonana ity. Efa samy mahafantatra ity disadisa ity ny FLM Foibe Antananarivo sy ireo tomponandraikitra ara-panjakana ao Tolagnaro.

 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT