Finoana

FLM Betafo Namarana ny jobily faha 155 taona


  • Alatsinainy 27 Febroary 2023

Feno hipoka ny FLM Betafo raha namarana ny fankalazana ny jobily faha 155 taona. Tonga nanotrona ny filohan'ny Sinodam-paritany Avaratrimania, ny Pastora Ratolojanahary.

Naneho ny fahafehezana tantara ny Lehiben'ny Faritra Vakinankaratra, Vy Vato Rakotovao, ka nilazany fa ankoatry ny finoana Loterana nentin'ireo misionera avy any Norvège notarihin'ny Pastora John Eng, dia mbola izy ireo ihany koa no nampianatra ny fanaovana trano biriky. Ny taona 1867, ny 4 desambra no tonga tany Betafo ireo misionera ireo ary dia ity fiangonana eo Amboniavaratra ity no voalohany tamin'izany. Dieny izao dia efa natsidik'i Pastora Ratolojanahary no mety ho endriky ny fankalazana ny jobily faha 160 taona. Nofaranana tamin'ny fiaraha-misakafo nokarakarain'ny zanaka ampielezana. Ireo manamboninahitra sivily sy miaramila tany an-toerana no niray latabatra ary nahitana ny solombavambahoaka Dr Lova Fiarovana .
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT