Finoana

FLM Antsirabe tampon-tanŕna Natomboka ny asa fanorenana ny tsangambato


  • Sabotsy 10 Mey 2014

Raikitra ny asa ho an’ny fiangonana Loterana Malagasy Antsirabe tampon-tanŕna dia ny fananganana ilay trano goavambe iray ho tsagambaton’ny faha-145 taonan’ny fiangonana izany.

 Hafakely ny fomba fiasa satria ny Antoko Mpihira Mimoza izay mankalaza ny faha-55 taona niorenany no misantatra izany amin’ny fanorenana ny efitrano ho fivoriany ka ny efitra farany ambany amin’ilay trano misy rihana telo kasaina hatsangana no anjaran’izy ireo, izay ho tsangambaton’ilay faha-55 taonany. Aorian’izay dia ny fiangonana no mamita ny rihana telo eo amboniny izay ho biraon’ny fiangonana sy ny Radio Manda Fiarovana ary ny hitoeran’ny foiben’io radion’ny fiangonana io. Trano mirefy 13 m x 7m eo ho eo ity hajoro ity ka ho tsangambaton’ny faha-145 taona ny fiangonana sy ny faha-55 taona ny Antoko mpihira Mimoza. Ny alahady 14 desambra 2014 moa no hamaranana ity fankalazana ity ka asa raha ho vita amin’izany ny asa rehetra satria mitentina 300 tapitrisa ariary ny tentim-bidiny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT