Finoana

FLM Androhibe Tsy hihemotra na eo aza ny sakantsakana


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2015

Tongotra mby an-dakana ny an’ny fiangonana FLM Androhibe ka tsy miverina ilalana intsony.

 

 Hanomboka anio dia hitohy indray ny asa fananganana ny tamboho hamefena ny tanin’ny fiangonana. Nandritra ny filazan-draharaha ny alahady teo dia efa nanao antso avo amin’ny malala-tanana eo anivon’ny FLM sy ireo tsara sitrapo te hitondra anjara biriky amin’ny fampivelarana izany asan’Andriamanitra izany ry zareo ao Androhibe. Etsy an-daniny anefa dia mbola maneho ny tsy fahafaliany amin’ny nahazoan’ny fiangonana ny tany eny Androhibe ireo andian’olona tsy mankasitraka ny fanapahan-kevitry ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany tamin’ny nanomezany ny tany ao Androhibe ny fiangonana FLM. Ny herinandro lasa teo dia efa nandefa zava-maneno mafy be teo amin’ilay tany ireo andian’olona ireo mba ho fanakorontanana ny fotoam-pivavahana izay mandeha etsy an-kilany. Ny alahady teo dia mbola nandeha izany zava-maneno izany mandritra ny fotoam-pivavahana. Tsy afa-bela ihany koa ireo mpivavaka ao amin’ny fiangonana FLM Androhibe monina eny an-toerana satria, ankoatra ny fanarabirabiana isan-karazany dia tsy omena rano koa izy ireo rehefa tonga eo amin’ny paompin’ny fokontany.

AndryRatovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT