Finoana

FLM Androhibe Tsy hihemotra amin’ny fanorenana ny Fiangonana


  • Sabotsy 24 Oktobra 2015

Tsy hihemotra amin’ny tetikasa fanorenana fiangonana miaraka amin’ny asa sosialy efa ela nokasainy hotanterahana eny Androhibe ny Fiangonana Loterana Malagasy, hoy ny filohan’ny synodam-parintany ny pasitora Randrianirina David.

 

 

 Efa madio ny resaka taorian’ny didim-pitsarana in-telo miantoana nivoaka nitsipaka ny fanohanana nataon’ireo antokon’olona mba tsy hanomezan’ny fanjakana ny ampahan-tany 68 ara amin’ny 1Ha 48 ara 19 sa ao amin’ilay tanim-panjakana “Concours agricole”. Tompon’ny tany ara-dalàna ankehitriny ny FLM Androhibe ary manan-jo amin’ny fizaka-manana ny tany. Efa manomboka rahateo ny asa fananganana ny fototra taorian’ny fahazoan-dalana avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Miantso ny mpifanandrina taminy ihany koa ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Fiangonana Loterana Malagasy synodam-paritany Antananarivo hampitsahatra ireo karazana fihantsiana miaraka amin’ny fampihorohoroana. Nametraka fitarainana fiandry tao amin’ny polisin’ny boriborintany Analamahitsy izay nampita izany any amin’ny foibe eny Tsaralalana moa ny mpitantana ny FLM Androhibe hisorohana ny mety ho fihoaram-pefy na fampiasan-kery mety hitranga, araka ny fanampim-panazavana ihany. Na izany aza, vonona hifampiresaka ny FLM ary niantso fitoniana.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT