Finoana

FLM Androhibe Hanangana fiangonana sy toeram-pitsaboana


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2015

20 taona mahery taty aorian’ny niforonany, dia hanangana trano fiangonana lehibe ho an’ny kristianina ny fiangonana Loterana Androhibe Finoana. Eo amin’ny toerana malalaka iray eo amin’ny fokontanin’Androhibe no hananganana azy rehefa nahazoana alalana tamin’ny fitondram-panjakana nifandimby teto Madagasikara.

 

Ankoatra ny trano fiangonana  dia hatsangana eo amin’io toerana  io ihany  koa ny  toeram-pitsaboana izay hotantanan’ny fiangonana Loterana sy toeram-piofanana arak’asa ho an’ny tanora izay  maro tokoa no tsy an’asa  amin’iny  faritra iny. Misy mitsivalana anefa  ankehitriny  izany fikasan’ny Fitandreman’Androhibe Finoana  izany.  Nisy olon-kafa ihany koa nangataka  io toerana io taty aorian’ny nandrenesany fa nametrahan’ny fiangonana fangatahana ny toerana tamin’izany andro izany saingy tsy nahazo rariny teo anivon’ny fanjakana noho io fangatahana  io nitsinjo tombotsoan’olon-tokana, izay nangataka ny tany tamin’ny anarany fa tsy ho an’ny filan’ny  fokonolona. Samy nanambara ny  antony  nanaovany  ny  fangatahana   ny  mpangataka ny tany  roa tonta  tamin’izany fotoana.  Rehefa nandinika ela ny fitondram-panjakana  dia nanome  ny tany  ho an’ny fiangonana tamin’ny taona 2012 satria ny an’ny  fiangonana no mahakasika  bebe  kokoa ny fiarahamonina. Tsy  afa-po tamin’ny fanapahan-kevitry ny fanjakana io ny mpangataka an-kilany  ka nitondra ny raharaha  teny anivon’ny  fitsarana. Rehefa nandalo  an-tanantohatry ny fitsarana samihafa ny raharaha  dia mbola nahazo  rariny hatrany ny fiangonana Androhibe Finoana.

Ny 3 jona 2015 ary dia  namoaka didy fanomezan-dalàna laharana459- CUA/DS/CAB  15 hananganana ny tranon’ny fiangonana ny  kaominin’Antananarivo  Renivohitra  ka nahatonga ny fihetsiketsehana nampanenoana zava-maneno nitabataba teo amin’ilay toerana tsy nisy  na fanajana  kely akory ny fotoam-pivavahana  izay  ataon’ny fiangonana teo akaiky teo.

Omaly tolak’andro dia tonga  teny an-toerana ny  solombavambahoakan’ny  boriborintany  faha 5 Naivo Raholidina nampanantena fa hanaraka akaiky ity raharaha ity mba  hanomezana   fampanantenana  ireo mitsivalana  amin’ny fanamboarana ny  tranon’Andriamanitra ity. Maro ireto  teny  fanarabiana sy feno  fandranitana milaza fa tsy  tompon-tany  eny Androhibe ireo mpivavaka  ao amin’ny FLM  Androhibe fa mpiavy avokoa  ka tsy  ilain’ny eny an-toerana.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT