Misedra olana ny fiangonana Loterana ao amin’ny Synodam-paritany Avaratr’i Mania ary raikitra ny fitokonana.
Totoafo ara-bakiteny io fitokonana isaky ny misy fanoloana pastora. Efa notaterina teto fa tsy mbola milamina ny ao Ampitatafika amin’izao fotoana ary dia io indray ny ao amin’ny kaominina Ambano, Antsirabe faharoa. Teo aloha dia gidragidra tanteraka vao nilamina ny FLM Voajanahary Antsirabe voalohany sy ny tao Andranomanelatra Antsirabe II. Raha ity tao Ambano ny alahady 18 jona teo ity dia resaka famindrana pastora hatrany no olana ka lavin’ireo kristianina. Nobahanan’izy ireo ny fikasan’ny mpitondra fileovana hametraka ny pastora vaovao, izay nanaovana antso avo tamin’ny onjam-peo mihitsy. Tsy tanteraka satria nobahanan’ireo mpino ny lalana nankany am-piangonana ka rava maina ny fotoam-pivavahana. Olona manodidina ny 30 no nikasa hametraka ny pastora vaovao kanefa dia kristianina an-jatony no nibahana ny fiangonana ka tsy tontosa ny hetsika satria dabilio sy sorabaventy mahamenatra no nataon’ny mpino tsy nankato ilay fanovana pastora. Tafiditra resaka kolikoly sy fampiasam-bola ny resaka ka ho hita eo indray ny tohiny amin’ny manaraka. Nialoha io alahady io moa dia efa nisy fotoana niakaran’ireo mpino an’arivony ireo teo anoloan’ny biraon’ny Synodam-paritany saingy tsy nivaha hatrany ny olana hatramin’izao na dia efa nisy fifampiresahana aza, hono, tamin’izany. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana saingy nijery ny mety ho fihoaram-pefy fotsiny izy ireo.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.