Finoana

FKPMV Ifialofana Anjanahary Nankalaza ny isan-kerintaonany


  • Talata 16 Jolay 2013

Toy ny alahady faharoa isaky ny volana jolay toy izao dia nanamarika ny fankalazana ny isan-kerintaonany ny misiona eo anivon’ny fiangonana FKPMV (Fiangonana Kristianina Protestanta Malagasy Vavolombelona) Ifialofana Anjanahary ny alahady 14 jolay.

Fotoam-pivavahana lehibe nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra  natrehin’ireo mpivavaka avy amin’ny synoda maro samihafa no nanamarihana izany, notarihin’ny mpitandrina Razafindrabe. Nanodidina ny 490 teo ho eo ireo mpino tonga nanatrika izany izay marihina fa endrika iray nahafahan’ny mpino rehetra nihaona ihany koa.

Raha tsiahivina dia tamin’ny taona 1960 no niorina ny  ny fiangonana FKPMV. Misy fiangonana sivy eto Antananarivo amin’izao fotoana ankoatra ireo maromaro any anindran-tany. Ao amin’ny foibe hatrany  moa,  izany hoe ao amin’ny FKPMV Ifialofana Anjanahary hatrany no hatao ny fankalazana ny isan-kerintaona tahaka izao. Andro maromaro mialoha io dia efa tonga avokoa ireo mpivavaka avy amin’ny faritra maro samihafa.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT