Fjkm Vinany Tempoly Malala

Naseho an-tsehatra ny Fiadanana tena izy


  • Talata 26 Desambra 2023

Voninahitra any amin'ny avo Indrindra ho an'Andriamanitra! Ary fiadanana ho

ety ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany— Lioka 2 : 14. Io no lohahevitra nosafidian'ny sampana tanora kristianina ao amin'ny Fjkm Vinany Tempoly Malala - Synodam-paritany Antananarivo andrefana entina hankalazana ny fahaterahan'i Jesoa Kristy mpamonjy. Ny alin'ny alahady 24 hifoha alatsinainy 25 desambra no nanaovan'izy ireo fampisehoana miavaka tao amin'ny fitandremana izay nahaliana sy nahafinaritra tokoa ny mpanatrika, indrindra moa fa izay indray vao niverina ny fanaovana sasak'alin'ny noely taorian'ny nisian'ny valan'aretina Covid 19. Antsan-kira nataon'ny amboaran-kira no nanombohana ny fotoana nampisehoana amin'ny alalan'ny hira fiderana ny hoe fahaterahan'ny mpamonjy sy ny maha zavadehibe azy ho an'ny fiainan'ny mpino. Niroso tamin'ny tantara an-tsehatra avy eo, nampisehoana ny zava-misy iainan'ny tanora amin'izao vanim-potoana izao. Tanora roboka amin'ny rendrarendra, vola, fisotroana, fidorohana zava-mahadomelina, ireo karazana fahafinaretan'ny nofo...tanora tsy miraika firy amin'ny fampianaran'ny fiangonana ary matetika voatariky ny namana any amina zavatra tsy mendrika. Rehefa reraka sy nahatsapa ny tsy mety natao dia nihiratra kosa anefa ny maso sy ny fanahy ka tapa-kevitra ny hiaraka amin'ny Jesoa, ary tsy hoe vitan'izay fa nitaona sy nandresy lahatra ireo namana mba hiala amin'ny ratsy fanao ka hiverina amin'ny fiarahana amin'ny Tompo satria izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Naseho tamin'ny alalan'ity tantara an-tsehatra nolalaovin'ny STK Vinany Tempoly Malala ity fa fitaka ihany ny fiadanana atolotr'izao tontolo izao, mitondra mankany amin'ny fahaverezana fa ny miaraka amin'i Jesoa Kristy Tompo zanak'Andriamanitra no fiadanana maharitra mandrakizay, fiadanana tsy misy tambiny, fiadanana zaraina maimaimpoana fa miandry fotsiny ny fanapahan-kevitry ny tsirairay mba hampiditra an'i Jesoa Kristy ao am-pony. RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT