Finoana

FJKM Vinany Tempoly Malala Nahazo dispensera hitsabo ny olon-drehetra


  • Alatsinainy 01 Martsa 2021

Lanonan-dehibe 2 sosona no nitranga teny amin’ny Fjkm Vinany Tempoly Malala omaly alahady faha 28 volana febroary 2020.

 

Voalohany ny famaranana ny fankalazana ny faha 25 taonan’ny fikambanana Maintimolaly izay ivondronan’ireo antoko mpihira sokajiana ho efa zokiolona.Faharoa kosa ny fitokanana ny Dispensera Volana, toeram-pitsaboana ho an’ny rehetra natao indrindra ho tsangambaton’ny faha 25 taona nitandreman’ny mpitandrina Raharison David Andriamalala.Mitentina 70 tapitrisa ariary ny trano sy ny fitaovana ao anatiny izay efa raitra tokoa.Fanomezana avy amin’olon-tsotra no nahavitana izao foto-drafitrasa izao. Efa misy ny dokotera hiasa ao amin’ity dispensera ity .Ankoatry ny fizarana sy fampianarana ny tenin’Andriamanitra dia miahy ny maha olona ihany koa ny Fiangonana, ka dingana iray ao anatin’izany ity vita eny Vinany Tempoly Malala ity.

Natty

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT