Finoana

Fjkm Vinany Tempoly Malala Fahombiazana ny hetsika teny Antsahamanitra


  • Alatsinainy 19 Mey 2014

Tontosa soa aman-tsara omaly alahady 18 mey ny fanompoam-pivavahana lehibe nokarakarain’ny Fjkm Vinany Tempoly Malala, izay fiaraha-mivavaka ho fametrahana eo am-pelatanan’Andriamanitra ny asa fanitarana ny Fiangonana.

 Nitarika ny fotoana ny mpitandrina Raharison Davida Andriamalala, nitory teny kosa ny mpitandrina Radimisaona Jonah, Tonian’ny departemantan’ny Fiangonana. Nifantohan’ny toriteny ny tenin’ny Soratra Masina notsoahana tao amin’ny bokin’i Hagay 1/1-15 mitantara ny nanentanan’Andriamanitra ny zanak’Israely mba hanorina ny tempoly raha toa ka te hahazo indray ny fitahiana izy ireo. Tsy tokony hafana fo am-boalohany fotsiny rehefa manao ny tempoly na ny tranon’Andriamanitra fa mila mitohy ny asa, hoy ny mpitoriteny. Efa eo amin’ny manodidina antsika tsirairay ny hoenti-manana fa ny hafanam-po sisa no andrasana dia miroso ny asa. Maty ny finoana raha tsy misy asa, hoy hatrany ny mpitandrina Radimisaona Jonah.

Dingana iray goavana amin’ny ezaka fanitarana ny Fiangonana ity vitan’ny Fjkm Vinany Tempoly Malala omaly teny Antsahamanitra ity ary nahafahana nampiseho fa tena vonona amin’ny fifanomezan-tanana ny mpino Kristianina sy ny zanaka am-pielezana ary efa nandray anjara mavitrika ny amin’ny raki-pahasoavana sy ny karatra fandoavana latsakemboka ho fanohizana ny asa sahady. 200 tapitrisa Ariary no tentim-bidin’ny fanitarana ny Fiangonana Fjkm eny Vinany ary taorian’ny fananganana ny rindrina andrefana izay nitentina 30 tapitrisa ariary dia hiditra amin’ny asa tena goavana ato ho ato dia ny fanamboarana ny rihana sy ny tafo izay vinavinaina hitentina 130 tapitrisa Ariary.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT